Fanatanjahantena

KICK BOXING – FIFANINANAM-PIRENENA Nahoron’ireo mpikatroka avy eto Analamanga ny amboara

Anaram-boninahitra roa ambin’ny folo tamin’ireo roapolo niadiana nandritra ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja kickboxing, notanterahina teny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, no azon’ireo mpikatroka avy eto Analamanga.

Ny efatra tamin’ireo no azon’ity ligy ity tamin’ny Low kick sokajy vehivavy, raha efatra tamin’ireo valo niady kosa no azony teo amin’ny sokajy lehilahy. Anaram-boninahitra tompondakan’
i Madagasikara efatra ihany koa tamin’ireo valo niadiana no azon’ireo mpikatroka avy eto an-drenivohitra, teo amin’ny K1. Nitana ny laharana faharoa kosa ny Ligim-paritra Atsimo Andrefana, izay nahazo medaly volamena efatra. Teo amin’ny laharana fahatelo kosa ny ligin’i Vakinankaratra, nahazo anaram-boninahitra telo, raha i Atsinanana nahazo iray no teo amin’ny laharana fahefatra.

Nomen’ny Federasiona malagasin’ny taranja haiady kickboxing tamby iray tapitrisa ariary avokoa ireo mpikatroka voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara tamin’ity fifaninanam-pirenena ity. « Natao indrindra hifantenana ireo handrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika an’ireo fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny taona 2019 iny hetsika iny », hoy i Mamindraibe Andrianome, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja haiady kickboxing.