Raharaham-pirenena

Fifidianana ben’ny tanana Hanohana an’ny kandidà Andriantsitohaina Naina koa ny RPSD

Miha betsaka ireo resy lahatra. Vonona ny hanohana ny kandidà Andriantsitohaina Naina, izay hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo renivohitra, hatao amin’ny 27 novambra ho avy izao ny antoko “Fifandrimbonan’ny sosialy demokrasia” (RPSD), tarihin’ny filohany Andriantsizehena Benja Urbain.

Fiaraha-miasa nanomboka tamin’ny fanohanana an-dRajoelina Andry tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo izao hotohizan’izy ireo izao.

“Matoky azy izahay satria izy dia hanatanteraka tokoa an’ireo fanamby napetrany”, hoy ny fanambaràna nataon’ny antoko RPSD naorin’ny filoha am-boninahitra, Marson Evariste, tetsy Antanimena, omaly. Isan’ireo antoko handray anjara mavitrika amin’ny fanatanterahana ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andriantsitohaina Naina ihany koa, araka izany, ity antoko ity. “Fanohana amin-kitsi-po ary tsy mila tambiny no tanterahana”, araka ny tohan-kevitry ny antoko.