Kolontsaina

Loabary an-dasy Marefo ny asa fandikan-teny eto Madagasikara

Mila ezaka goavana, raha fehezina ny lahateny natolotr’ireo mpandray anjara tamin’ny lahadinika momba ny fandikan-teny, teny Ankatso, omaly. Mbola hitohy anio tontolo andro ny fifanakalozana.

Nasehon’ireo mpandray anjara fa toa zary ankilabao ny teny Malagasy,hany ka misy ny milaza fa mahantra na koa efa manakaiky ny ho faty.

« Raha tsy misy ny dikan-teny dia misy foana ny olana eo amin’ny fifandraisana. Misy ihany koa ny fanavakavahana eo amin’ny teny satria ireo mpiavy tsy mahazo ireo torohay ilainy, hany ka miteraka tsy fifankahazoan-kevitra. Tsy mipetraka eo amin’ny toerana tokony hisy azy ny fandikan-teny eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony », hoy ny profesora Ralalaoherivony Baholisoa, filoha ara-tsiansa mpikarakara ny loabary an-dasy.

Tanjon’izao fifanakalozana izao hanabeazam-boho ny teny malagasy. Volavolaina mandritra ireo roa andro ireo ny teknika vaovao hahafahana mampianatra ny fandikan-teny eny amin’ny Anjerimanontolo. « Ilaina ihany koa ny mampiditra ny fandikan-teny anatin’ny politikam-panjakana. Entanina hatrany ny fanolorana asa fikarohana amin’ny fiteny malagasy eny amin’ny tambajotran-tserasera sy ny internet», araka ny fanazavan’ny profesora Ralalaoherivony Baholisoa.

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny fahenimpolo taonan’ny Sampam-pianarana momba ny soratra sy ny fahalalana momba ny olombelona ity hetsika ity. Lohahevitra roa lehibe no nifantohan’ny fihaonana: « Ny fandikan-teny anatin’ny taonan’ny nomerika » sy ny « Fandikan-teny vahiny amin’ny teny malagasy ». Nasaina manokana kosa ny dokotera Ranjivason Jean Théodore, manam-pahazaina momba ny dikan-teny, ny profesora Ramarosoa Liliane, mpandrindra ny sanganasan-dRabearivelo ary ny profesora Pedro Mogorron Huerta avy any Espana. Anisan’ny kendrena hanatrika amin’izao fihaonana izao ny mpianatra sy ireo rehetra mampiasa sy mikirakira ny tontolon’ny fandikan-teny.

Volasoa Randriamanantena