Sosialy

Fitaterana goragora Manomboka mameno seza ireo taksibe sasany

Hita taratra sahady ny fandikan-dalàna amin’ireo fiara fitateram-bahoaka sasany eto an-drenivohitra amin’ny tsy fanajàna an’ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny fifindran’ny tsimok’ aretina, eny amin’ny taksibe. Efa manomboka mameno ny seza ho dimy ireo fiara fitaterana, ankoatra ny tsy fampiasan’ ny ankamaroan’izy ireo intsony ny tsiranoka famonoana tsimok’ aretina amin’ny fanasana tanana.

Namerina indray ny tale jeneralin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an- tanety (ATT), Reribake Jeannot fa: “tsy midika ho fanalefahana ny fepetra ara-pahasalamana ny fanalavana ny ora fiasan’ ireo taksibe”. “Mipetraka foana ireo fepetra ara-pahasalamana, na dia miasa manomboka amin’ny 5 ora maraina hatramin’ny 7 ora hariva aza, toy ny famendrahana ranom-panafody amin’ ny fiara isan’andro sy ny famerana ny isan’ny mpandeha”, hoy izy.

Miantso ny mpitandro filaminana amin’ny fampanarahana an’ireo fitsipika ireo ny tompon’andraikitra, hatramin’ireo mpandeha.