Tapatapany Tranga samihafa

Fitifirana ankizy

Naratra vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo am-polony izay nanafika ny tanànan’i Tsinjoarivo-Maevatanàna, tamin’ny alin’ny alakamisy lasa teo, ny ankizivavy iray, 13 taona, sy ny vehivavy iray, 28 taona. Omby miisa efapolo no voalaza fa lasan’ ireo dahalo ireo nandritra ity fanafihana ity.