Tapatapany Tranga samihafa

Fanoherana

Tsy nanaiky lembenana fa nanohitra nanoloana ny jiolahy miisa dimy nanafika azy ny lehilahy iray, 74 taona, teny Amparibe-Ambohitri-manjaka, tamin’ny alin’ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny misasak’alina, ka naratra. Tsy nahasakana ny fahaverezan’ny fananany anefa izy. Lasan’ireo mpanafika ny vola fito tapitrisa ariary sy firavaka volamena vitsivitsy ary finday. Jiolahy iray koa anefa no voalaza fa naratra.