Tranga samihafa

FANAKANAN-DÀLANA Voatafika indray ny fiara iray tany amin’ny lalan’i Maintirano

Niharan’ny fanafihana indray ny fiara “Minibus” iray tany Antsondrondava-Maintirano, tamin’ny faran’ny
herinandro teo. Voaroba tamin’izany ny vola mitentina efatra tapitrisa ariary, basy poleta iray, firavaka volamena vitsivitsy ary solosaina fitondra mandeha iray. Nanenjika an’ireo jiolahy avy hatrany ny zandary miasa ao Antsondrondava raha vao naheno ny fanafihana.

Am-polony ireo mpanakan-dalana nanafika an’ity fiara ity, araka ny fitantaran’ireo niharam-boina. “Nitondra basim-borona ny efatra tamin’izy ireo. Vao nahita anay izy ireo dia nitifitra. Voatery nijanona noho ny haratsin’ny lalana izahay ka tsy afaka mitsoaka. Ny mpamily rahateo efa matahotra noho ny fahafatesana mpamily toa azy, andro vitsy lasa izay, tamin’ity lalana mankaty Maintirano ity ihany”, hoy ihany ireo niharam-boina.
Tsy mbola nisy tratra ireo mpanakan-dalana.