Tapatapany Tranga samihafa

Faharatrana lehilahy

Naratra mafy ny lehilahy iray nitondra môtô nodonin’ ny fiara marika “Mercedes Sprinter” teny Anosiala-Ambohidratrimo, afak’omaly maraina tokony tamin’ny 10 ora sy sasany. Tsaboina ao amin’ny hopitaly Anosiala, hatramin’ny omaly, ity niharam-boina. Tsy misy atahorana ny ainy, araka ny fantatra. Mandeha ny fanadihadiana amin’ity loza ity.