Tranga samihafa

Fanimbana fananana iombonana Lehilahy mpamotika lalambahoaka eny Ivato

Naterina teny amin’ny zandary ny lehilahy iray voatondro ho nanimba lalana an-dalam-panamboarana, teny Ivato, afak’ omaly. Voatazona ao amin’ ny fonjakelin’ny zandary eny Ankadindravola Ivato izy.

Hoentina eny amin’ny biraon’ny kaominina, anio, ny lehilahy. Iantefan’ny ahiahy amin’ny fanimbana fananana iombonana sy fotodrafitrasa eny Ivato izy. “Mpiambina amina orinasa ity lehilahy ity. Nandalo teo amin’ny lalana namboarina izay misy soratra hoe tsy azo aleha izy no tratran’ny polisy kaominaly. Niziriziry tsy nanaiky nosakanana anefa izy fa nandeha sy nanitsaka teo amin’ny lalana izay misy simenitra mbola tsy maina. Izany no antony nisamboran’ireo polisy kaominaly azy”, hoy ny zandary manao ny fanadihadiana.

Milaza ny eo anivon’ny kaominina Ivato fa nisy famotehana lalana an-dalampanamboarana tahaka ity, tamin’ny alalan’ny hitsaka sy dian-kiraro, teny an-toerana, andro vitsy lasa izay. Tsy handefitra manoloana ny fanimbana fananana iombonana toy izao izy ireo. Nametraka fitoriana eny amin’ny Zandarimaria tamin’ io tranga farany io ny avy ao amin’ny kaominina Ivato.