Tranga samihafa

Ambohimahitsy Narodana ilay trano fitazonana olona alaina an-keriny

Natokan’ireo olon-dratsy nitazonana an’ireo Karàna nalaina an-keriny ny trano iray teny Manankasina Ambohimahitsy. Tamin’ny fanadihadiana an-dRamandiamanana Norbert na i Lamà, voatondro ho jiolahy raindahiny amin’ ny fakàna an-keriny ary lavon’ny zandary, andro vitsy lasa izay, no nahitana an’io toerana io. Narodana ity trano ity, afak’omaly.

Tonga teny an-toerana nanara-maso sy niatrika ny asa fandrodanana azy ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena. Voalaza fa tsy misy fahazoandalana akory ny nananganana ny trano ka izany no isan’ny antony voalohany ihany koa nandrodanana azy.

Io trano io no nitazonana an’ ireo Karàna roa, tamina raharaha fakàna an-keriny roa farany, tao anatin’ny enim-bolana, dia ny nahalasibatra ny lehilahy iray, tamin’ny 13 desambra 2019 sy ny farany teo teny Ambatobe.

“Vita amin’ny biriky ny trano. Natao hametrahana an’ireo olona nalaina an-keriny izy io ka misy efitra iray natokana ho amin’izany mihitsy. Efitra fametrahana fiara kosa ny ao ambany rihana. Ankoatra ireo, misy toerana fanaraha-maso ny manodidina sady ahatazanana an’Antananarivo sy ahitana ny olona manatona eny amin’ny faritra misy ny trano”, araka ny fanazavana.