Tapatapany Tranga samihafa

Vehivavy voatsatoka antsy

Mbola tsaboina eny amin’ ny hopitaly ilay vehivavy voatsatoka antsy tao amin’ ny toerana fandriam-bahiny, tany Mahajanga, afak’omaly alina. Tadiaviana ny lehilahy iray voatondro ho nandratra azy. Fantatra fa noho ny fifamaliana no nahatonga ny tsindrona antsy.