Raharaham-pirenena Tapatapany

Tale vaovaon’ny i Bianco

Mandeha ny fifantenana an’izay ho lasa tale jeneraly vaovaon’ ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) iandraiketan’ny Filankevitry ny fahitsiana (CSI). Raha efatra amby enimpolo ny isan’ireo antontan-taratsy voaray dia nihena folo izany, ary mbola mitohy ny sivana. Mialoha ny 23 jona no tokony handroso ny anaran’ireo kandidà telo hotendren’ny Filoham-pirenena ny CSI, izay hisolo toerana an’Andriamifidy Jena Louis, tale jeneralin’ny Bianco am-perinasa.