Tapatapany Zavakanto

Fampirantiana

Handray fampirantiana miavaka avy amin’ireo fikambanan’ny mpahay raha arak’endrika amam-bika malagasy (AAPM/car) ny etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba, manomboka ny alatsinainy 20 mey ho avy izao.

« Tokonana » no anarana nampisalorana ity fampirantiana ity, izay entin’ny AAPM/car hanokafana ny fankalazana ny tsingerin-taonan’ny hosodoko malagasy ity. Asam-pamoronana maherin’ny enimpolo no hampirantiana mandritra ny hetsika.