Fihariana Pejy manokana

Sedra nateraky ny fitadiavana Mamboraka ny saika nanolanana azy ity vehivavy niasa tany Koweït

Mpiasa vehivavy avy any koweït miisa enina ambin’ny folo amby zato no tafaverina an-tanindrazana, taorian’ny fampodiana nataon’ny fanjakana malagasy azy ireo. Fanolanana, fampijaliana, tsy fifanarahana no tanisain’ireo tonga ho antony tsy nahatamana azy ireo tany. Nozaraina ho telo ireo mpiasa ireo tamin’ny nampodiana azy. Misy amin’izy ireo no sahy mitanisa ny fahoriana sy ny sedra mafy nolalovany tany. Isan’ireny ity vehivavy iray, izay sahy mitoroka ny saika nanolanana azy imbetsaka.

Anisan’ny manavesatra an’ireto vehivavy malagasy nila ravinahitra ireto ny herisetra ataon’ny mpampiasa azy ireo. Ny sasany ireo mpampiasa mihitsy no manao ny antsojay ary ny hafa kosa ireo zanaka na fianakavian’iretsy farany no manao izany. “Roa taona amin’ny volana mey no niasako tany Koweït. Irony sampana mpandefa mpiasa any ivelany irony no nandefa anay tany. Tsy nahalala na inona na inona izahay momba ny asa sy ny zavatra miandry anay any. Niova mpampiasa indroa aho saingy nahitako olana avokoa. Ny iray vao tonga tany aho dia tsy nahazo karama mihitsy nefa ny asa mafy. Nafindran’ilay nandefa ahy ho any amin’ny olona hafa indray aho. Isaky ny alina dia tonga ao amiko foana ny zanaky ny mpampiasa lahy mampihatra ny heriny rehetra amiko hahafahany manolana ahy. Efa indimy raha kely indrindra izy no nanandrana izany tamiko saingy mitomany mafy be aho dia mitsangana ny reniny mamonjy ahy. Saika nandamòka avokoa ny fikasan-dratsiny”, hoy i Rolande, renim-pianakaviana iray, avy any Sambava.

Manambady aman-janaka ny tenany saingy noho ny tsy fisiana dia tsy maintsy navelany teto an-tanindrazana ireo vady aman-janany fa nandeha nila ravinahitra tany Koweït ny tenany. Mitantara ny jaly sy ny fahoriana niaretany nandritra izay taona maro niasany tany, ity renim-pianakaviana ity.

Mafy asa

Anisan’ny mampitaraina ireo olona niasa tany Koweït ireto ihany koa ny fahamafisan’ny asa, izay nosahanin’izy ireo tany. “Miasa manomboka amin’ny roa maraina ary tsy mija­nona raha tsy efa alina be. Ankoatra iza,y raha tsy mahazo ny resany dia efa hadonan’izy ireo amin’ny rindrina ny loha”, hoy ny vehivavy iray hafa nijoro vavolombelona nandritra ny fahatongavany teto an-tanindrazana.

“Roa taona amin’ny volana mey no niasako tamin’ny mpampiasa ahy ary tsy tapitra akory ny fifanarahana . Mitaiza anti-bavy tsy salama no asako, tany an-toerana. Mila bataina sy sasana ary soloina “couche” ilay vehivavy, izay somary goavana ihany ka tsy zakako. Izaho daholo no mikarakara azy amin’ny fiainany iray manontolo. Nangataka hiala anefa aho tsy navelan’izy ireo aloha… Rehefa afaka tao indray aho dia niova mpampiasa hafa. Asa tokony hataon’ny olona efatra nefa izaho irery no asainy miandraikitra azy. Miasa tsy an-kijanona ka nanjary narary aho nony avy eo”, hoy i Théodéline, nanantitrantitra ny hamafin’ny asa izay tsy maintsy zakain’ireo vehivavy nisafidy ny niasa an-trano tany Koweït.

Ho an’ity farany, azo lazaina ho betsaka ny vola satria manomboka amin’ny fito hetsy ariary izany. Manoloana ny habetsaky ny asa kosa dia namba­ran’izy ireo fa tena tsy mifanaraka loatra ilay karama nomena. Ity farany izay anisan’ireo nahazo karama ara-potoana hatrany nandritra ny fotoana niasany tany an-toerana.

Ankoatra izany, anisan’ny mbola mafy nosedrain’ ireto mpiasa ireto ihany koa ny tsy fandraisana karama am-bolana maro nefa ny asa tanterahana ihany. Antony iray mahatonga ny ankamaroan’izy ireo mitsoaka amin’ny toeram-piasany ka mitady olon-kafa indray. “Niasa tamin’ny mpampiasa ahy teo aloha aho dia tsy nandray karama valo volana dia avy eo niova mpampiasa indray”, hoy i Alda, avy any Andapa.

Hijanona an-tanindrazana

Ny ankamaroan’ireo vehivavy niasa tany Koweït efa tonga teto an-toerana no efa nifidy ny tsy hiverina any intsony noho ireo antony voatanisa etsy aloha. “Raha mbola misy fianakaviako mikasa ny ho any dia tsy avelako hiasa any an-toerana intsony. Ho ahy manokana, hijanona hikara­kara ny zanako aho na dia mbola tsy manana teti­kasa hamelomako ny tenako aza”, hoy hatran i Théodeline. Ity farany izay efa niasa tany Koweït teo aloha saingy izao misafidy ny hijanona an-tanindrazana izao.

Marihina fa maro tamin’ireo efa niverina no nisafidy ny tsy hiverina any amin’ity firenena ity intsony intsony na dia sarotra aza ny fianana eto. Misy aza ireo efa nanomana izay fomba hivelomany indray. “Izaho efa vonona hivarotra vary rehefa mijanona eto. Efa asa nataoko talohan’ny nandehanako tany ivelany ihany izany”, hoy ny fanazavan’i Charlotte, avy any Andapa. Ity farany izay efa nahavita fifanarahana araka asa iray. Nanohy ihany izy avy eo saingy nony nifindra tamin’ny mpampiasa azy hafa dia nitsoaka satria tena mafy ny asa. Ankoatra ireo tapa-kevitra ny hijanona an-tanindrazana kosa dia misy amin’ireo vehivavy ireo no mbola te hiasa any ivelany saingy any amin’ireo firenena hafa, izay tsy voarara ny fandehanana any.

Fandraisana manokana

Marihina fa ny Filohan’ny Repoblika no niantoka ny fampodiana azy ireo teto an-tanindrazana. Nanamafy izy fa hisy ny fandraisana an-tanana manokana azy ireo mba hahafahany manomboka fiainam-baovao. Nomena lelavola dimy hetsy ariary isan’olona izy ireo ary niantohana ny fampodiana azy tany amin’ny fianakaviany. Efa misy ihany koa ny tetikasa Fihariana izay natao hamerenana ireo vehivavy ireo anatin’ny fiarahamonina.