Fanatanjahantena

Nicolas Dupuis “Ataoko ho ampy ahy satria efa lafo amin’ny Malagasy ny karamako”

Nametraka tantara teo amin’ny taranja baolina kitra ny fandraisana anjara voalohany ho an’ny ekipam-pirenena malagasy na ny barea tamin’ny fiadiana ny amboaran’I afrika na ny CAN 2019 tany Ejypta lasa teo. Isan’ny nahatonga ny vokatra tsara azon’ny barea I Nicolas Dupuis, mpanazatra azy ireo. Mbola hanohy izany asa izany izy ao anatin’ny efa-taona sady tale teknika nasionalin’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF).

Inona no tena mahasarika anao amin’i Madagasikara?

Ilay fiaraha-mientana, ny firaisan-kina, ny fandraisana ahy hatramin’izao. Teo ihany koa i Ahmad, filohan’ny CAF izay niantso ahy tamin’ny marsa 2016, ka nekeko. Mahafinaritra ahy ny miara-miasa aminy. Nahita sy nahafantatra an’ity firenena ity tsara ihany koa aho. Izay no antony mbola nahatonga ahy eto sy mbola ho eto. Tany am-boalohany, telo taona sy tapany lasa izay, hitako fa manan-talenta ireo mpilalao malagasy. Nihevitra aho fa misy asa azoko hatao ho azy ireo. Teo ihany koa ireo mpilalao mpila ravinahitra izay nanampy ahy tamin’izany asa izany.

Ahoana ny fahitanao ny karama miohatra amin’ireo mpanazatra any ivelany?

Ataoko ampy ahy ny karamako. Mbola latsaka kokoa noho ny any ivelany izany. Nieritreritra nandritra ny herinandro mihitsy aho noho ny fisian’ireo klioba roa nangataka ny haka ahy hiasa any amin’izy ireo. Tsy ny vola foana anefa no hitondrana ny safidy rehetra amin’ny fiainana. Nisafidy manokana an’i Madagasikara aho satria tiako ity Firenena ity. Hitako mbola misy asa tokony hataoko eto ka izay mihitsy no mahafinaritra ahy. Hitako efa betsaka ihany koa ny karamako raha ho an’ny malagasy.

Zakanao tsara ve ilay satroka maro eny aminao amin’izao fotoana izao?

Soa fa manam-bady vehivavy malagasy ny filohan’ny klioba frantsay FC Fleury 91 izay antony lehibe hahafantarany ny zava-misy eto Madagasikara. Tsapany sy nazava taminy fa zava-dehibe amiko ity Nosy ity. Hanao ny sonia hiara-hiasa amin’ny federasiona malagasy ny baolina kitra ihany koa anio (ndlr: omaly) hariva amin’ny maha tale teknika nasionaly sady mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy. Asa roa samihafa ireo kanefa mifameno ho ahy. Telo na efatra andro ihany na folo andro farafahabetsany no tsy maintsy eo amin’ny fampivondronana ny ekipam-pirenena aho raha ny fandaharan’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa). Mila manao zavatra hafa aho anefa, eo anelanelan’izany. Niteny ny Fifa fa tsy ho vitako ireo asa ireo ka nifindra teto Madagasikara mihitsy aho noho izany.

Ahoana ny fitantananao ny fianam-pianakaviana amin’izany?

Manam-bady sy manan-janaka telo aho. Mandeha amin’ny firenena maro anefa aho noho ny asako. Any Frantsa avokoa ireo fianakaviako no mipetraka. Efa zatra amin’ilay fiainana izy ireo sady efa mahaleo tena rahateo ireo zanako. Ny vadiko ihany koa manaraka ahy amin’izay alehako indraindray. Niaraka nankaty Madagasikara mihitsy izahay fa vao nody ny alatsinainy teo izy.

Ampy ho anao ve ireo mpilalao tamin’ny CAN 2019 hiatrika ny andiany manaraka?

Ireo mpilalao nampanonofinofy an’ireo malagasy tamin’ny Can 2019 tany Caire no tsy maintsy hatao lohalaharana amin’ny lisitra handeha hanao ny CAN 2021any Kamerona.

Hisy fanovana hataoko anefa amin’ny ekipa ka tsy ho eo avokoa izy ireo saingy ny ankabeazany no mbola ho ao ihany manomboka amin’ny volana novambra 2019. Ho maro ihany koa ireo tanora hampidirina amin’ny ekipam-pirenena malagasy toa an’i Marobe Jean Claude na i Lôlôdy, mpilalaon’ny Fosa Juniors. Hitako nilalao tsara izy nandritra an’ireo lalao ara-pirahalahina nataon’ny Barea hanomanana ny CHAN 2020. Halaiko ho ao amin’ny lisitra hanao ny CAN 2021 izy raha hamafisiny ny fahaizany amin’ny lalao miverina amin’i Namibia.

Midika inona ny fametrahanao ny dian-tananao tamin’ireo Barea hiatrika Chan?

Nanaraka sy nanazatra ny Barea hiatrika ny fiaidana ny ho tompondakan’i Afrika na ny CHAN 2020 aho nandritra ny herinandro mahery izay. Hitako aloha fa vintana no nandresentsika tamin’iny lalao mandroso iny. Nanjakazaka ireo Namibianina nandritra ny lalao. Nisy fiovana kosa ny ekipa amin’ity lalao miverina ity. Tsara kokoa ny fandaminana sy ny nampiarahana ireo mpilalao. Nitondra izany no tena nahatonga ahy hifanampy tamin’i Franklin Andriamanarivo, izay mpanazatra mpanampy ahy tamin’ny fanomanana ny CAN.

Ny fahitanao an’ireo firenena mpifanandrina amintsika amin’ny CAN 2021.

Mino sy manantena ny ho tafita amin’io CAN 2021 io aho. Ao amin’ny vondrona K no misy an’i Madagasikara miaraka amin’i Côte d’Ivoire sy Niger ary Etiopia. Samy ekipa goavana ireo firenena ireo saingy i Côte d’ivoire no hitako sarotra ny hifandona aminy raha ny lalana nandalovany nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika no jerena. Ho mafy ny handavo azy ireo. Hifandona voalohany amin’i Etiopia ny Barea amin’ny 16 novambra ho avy izao eo amin’i kianjaben’i Mahamasina. Tokony ho tafita amin’io lalao voalohany io ireo mpilalao Malagasy.

Inona no fepetra takianao amin’ny fisafidianana mpilalao hiatrika izany?

Hanomboka amin’ny 11 ka hatramin’ny 19 novambra ho avy izao ny fampivondronana azy ireo eto Antananarivo. Hiantso ireo mpilalao tsirairay aho raha toa ka matanjaka tsara izy ireo amin’izao fotoana izao. Mila vonona ara-batana izy ireo sady milalao ao anaty klioba. Izany hoe mila nahatazona ny zava-bitany izy taorian’ny niafaran’ny CAN 2019. Hojerena tsirairay ihany koa ny fahasalaman’izy ireo. Ho an’i Lalaina Nomenjanahary na i Bolida ohatra, naratra izy teo aloha fa efa salama izy amin’izao. I Andriatsima Faneva izay kapitenin’ny Barea tamin’iny fifaninanana iny kosa mbola maratra hatramin’izao. Inoako fa tsy hilalao izy kanefa mety ho ao anatin’ny delegasiona ihany. Hivoaka amin’ny faran’ity herinandro ity na amin’ny voalohan’ny herinandro ambony ny lisitr’ireo mpilalao hanao ny dingana fifanintsanana amin’io CAN 2021 io.

Ahoana ny fihetsem-ponao amin’ny ny tsingerin-taona nahazoantsika ny tapakilan’ny CAN 2019 ?

Manan-tantara ho an’ny rehetra iny nahatafakatra antsika tamin’ny CAN 2019 iny. Fahatsiarovana tsy ho adino mihitsy iny ho ahy, izay inoako fa ho an’ny rehetra ihany koa. Nilalao tamin’i Guinée Equatoriale izahay tamin’izany fotoana izany. Niteny an’i Njiva aho handefa ny baolina any amin’i Romain Métanire amin’ny fotoana mahamety azy. Notanterahin’izy ireo ny teniko ka azon’i Romain ny baolina sady matiny izany. Nanantona nisakambina ahy ireo mpilalao tamin’izay. Mijanona ao an-tsaiko hatrany izay sary izay.

Sendra Rabearimanana