Raharaham-pirenena

Fidinana tao amin’ny boriborintany fahadimy Notronina olom-boafidy maro ny kandidà Andriantsitohaina Naina

Nanohy ny fitsidihiny an’ireo fokontany maromaro eo anivon’ny Boriborintany fahadimy indray ny kandidà amin’ny fifidianana ben’ny tanana eto Antananarivo renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. Nisongadina tamin’izany ny fanotronan’ny depiote avy amin’ny vondrona politika miara-dia amin’ny Filoha Rajoelina Andry, Raholdina Naivo sy ireo mpanolotsaina monisipaly toa an-dry Rajerison Véroniqu,e izay resy lahatra amin’ny fanohanana azy. Fokontany folo ao amin’ity boriboritany ity no notsidihin’Andriantsitohaina Naina, omaly. Isan’izany ny tao Soavimasoandro, Ivandry, Mahatony, Ambodivona, Imamba…

Nivohitra tao anatin’ny fitakian’ireo mponina nihaona taminy ny fanokafana zotrana taksibe mampitohy an’Imamba amin’ireo toerana eto an-drenivohitra. Teo ihany koa ny fanatsarana ny tsena ao Soavimasoandro, ny fanavaozana an’ireo sekoly ao Imamba, ny fametrahana takamoa eny amin’ireo andrin-jiro amin’ireo toerana maizina, ny fampitomboina an’ireo daba fanariam-pako, ny fanamboarana an’ireo lalan-kely ary ny fananganana toerana fanasan-damba sy trano fivoahana.