Tranga samihafa

Raharaham-pitsarana any Fianarantsoa Hadihadiana lalina ny fanolanana tao amin’ny akany iray

Mbola any am-ponja ny lehilahy iray voarohirohy tamin’ny raharaha fanolanana nihatra tamin’ny ankizy tao amin’ny toby fitaizana zaza kamboty iray any Fianarantsoa, volana vitsy lasa izay. Ao anatin’ny fanadihadiana lalina ny raharaha ny Fitsarana any an-toerana, amin’izao fotoana izao.

Zaza efatra no fantatra fa niharan’ny fanolanana. Voampanga sy voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’izany herisetra ara-pananahana izany ny lehilahy, vadin’ny mpanabe ao amin’ilay toby ihany. Ankizilahy iray, 17 taona, isan’ireo notezaina tao amin’ny akany no miaraka voampanga aminy. Natolotra ny Fitsarana izy ireo ary samy naiditra amponja vonjimaika. Arahin’ny mpanara-baovao maso akaiky ny fivoaran’ity tranga mampalahelo nihatra tamin’ny zaza ity.