Raharaham-pirenena

Fitoriana-Fifidianana ben’ny tanàna Hatao alohan’ny novambra ny famoahana an’ireo didy rehetra

Hovitaina amin’ny faran’ny volana oktobra 2020 avokoa ny fitsarana an’ireo fitoriana 475 momba ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo, araka ny fantatra avy amin’ny loharanombaovao iray eo anivon’ny Filankevi-panjakana, omaly. Efa nambaran-dRakotomandimby Benjamina, kaomisera misahana ny lalàna ao amin’ity filankevitra ity fa « somary hihazakazahana ny fitsarana an’ireo fitoriana momba ny fifidianana ben’ny tanàna ireo mialoha ny hanatanterahana ny fifidianana loholona ».

Hisy fiantraikany amin’ny famaritana ny lisi-pifidianana hampiasaina amin’io fifidianana loholona io ireo didy ireo, « satria mety misy ben’ny tanàna tsy lany indray, na ihany koa ben’ny tanàna lany hanan-jo hifidy ka mila ampidirina ao anatin’ny lisitr’ireo mpifidy vaventy ireo mialoha ny latsa-bato », hoy ny fanazavana nentin-dRakotondrazaka Fano, mpampaka-tenin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI).

26 amin’ireo fitoriana 475 no efa voatsara, hatramin’ny omaly.