Raharaham-pirenena Tapatapany

Fitoriana eny amin’ny HCC

Nametraka taratasy fangatahana ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana momba ny tsy fahafenoan’ny fepetra hahafahana manatanteraka ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra 2020, ireo loholona mpanohitra ny fitondram-panjakana. Aroson’izy ireo ny fahabangan’ireo mpifidy lehibe tokony handatsa-bato amin’izany fifidianana izany, toy ny lehiben’ny faritra sy ireo lehiben’ny faritany miaraka amin’ireo lefiny. Nitarika an’ireo delegasiona tetsy Ambohidahy ny loholona Rakotovazaha Olivier.