Tapatapany Tranga samihafa

Fitaovan’ny Kraoma

Sarona tany Ambaibo-Morarano Chrome, any Amparafaravola, ny kamiao iray nitondra ireo vy avy nangalarina tao amin’ny orinasa Kraoma, izay milanja efatra taonina. Naiditra am-balampamonjana ilay fiarabe. Voasambotra ny olona telo ahiana ho tompon’antoka tamin’izao halatra izao. Nisy fiara kamiao iray hafa nitondra ireo vy niala tany Brieville no isan’ny voatazona ihany koa.