Raharaham-pirenena

Fifidianana loholona Manomboka mifantina an’ireo kandidany ny IRD

Manomboka ny fifandaminana amin’ny fiatrehana ny fifidianana loholona, amin’ny 11 desambra 2020, ireo antoko manohana ny fitondrana. Raikitra ny fandraisana an’ireo kandidà maniry ny hisalotra ny loko volomboasary ao anatin’ny vovonana politika miaraka amin’ny Prezidà Andry Rajoelina (IRD) amin’io fifidianana io.

« Miroso ny fifantenana an’ireo kandidà ireo », hoy Rasoamaromaka Hery , mpitarika ny vovonana IRD sady governoran’ny faritra Analamanga, tamin’ny antso an-tariby, omaly.

Fepetra maromaro no hisivanana an’ireo kandidà loholona amin’ny anaran’ny lisitry ny IRD : mila olona mendrika sy to teny eo anivon’ny fiarahamonina ary afaka hitondra ny traikefany amin’ny fampandrosoana ny faritra mifanaraka amin’ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. « Efa fantatry ny rehetra izao hoe mitsoka mankaiza ny rivotra politika eto amintsika. Ny fametrahana loholona tena hanao ny asany sy hanampy ny fitondrana amin’ny asa fampandrosoana tokony hatao no tanjona », araka ny fanazavan-dRasoamaromaka Hery. Ankoatra ny Tanora malaGasy Vonona dia isan’ny antoko lehibe ao anatin’ity vovonana ity ny Asa Vita no hifampitsarana (AVI), ny Malagasy Miara-Miainga (MMM), ny FAFI 5…