Samihafa

Fanavaozana mpitantana Hosoloina ny talen’ ny Ivon-toeran’ny sarimihetsika malagasy

Hanavao ny mpitantana ny ivon-toeran’ny sarimihetsika sy sarimiaina malagasy (ISSM) ny minisiteran’ ny Kolontsaina sy serasera. Namoaka antso fahalinana tao anaty tambajotran- tserasera sosialy “Facebook” izy ireo, omaly.

Misokatra ho an’ny olon-drehetra tsy ankanavaka, indrindra ireo andriambavilanitra, ny toerana. Horaisina hatramin’ny 30 septambra ny antontan-taratasy fisoratana anarana hita na io andraikitra io.

Efa am-bolana maro no nanendrena ny tale misahana ny ivon-toerana saingy tsy nisy fampitam- baovao momba ny asa nosahanin’izy ireo. Nambaran’ny tale jeneralin’ ny kolontsaina fa “nametrapialana noho ny antony ara-pianakaviana ity tompon’andraikitra ity”. “Natao ilay antso mba hahafahana manolo ny toerana banga sy mandroso eo amin’ny asa marobe, izay tsy maintsy sahanina ho fampiroboroboana ny tontolon’ny sarimihetsika sy ny sarimiaina malagasy”, hoy izy.

Hisahana an’ireo mpikirakira sarimihetsika malagasy iray manontolo eto Madagasikara mifanaraka amin’ireo lalàna amin’ny vokatra manerana izao tontolo izao io sampana io.