Pejy manokana Samihafa

Sedram-pianakaviana Kambana mirahalahy, 18 taona, iantsoan’ny reniny sy anabaviny fanampiana

Renim-pianakaviana iray no mitantara ny andavanandrom-piainan’izy ireo nandritra ny taona maro. Niteraka telo mianadahy izy, ka kambana, 18 taona, ny roa lahy farany. Samy manana olana ara-pahasalamana nanomboka vao iray volana taorian’ny nahaterahany ireo kambana ireo hatramin’izao. Toa sembana izy ireo ankehitriny satria sady tsy miteny no tsy mitombo araka ny tokony ho izy ny vatany. Nanampy trotraka ny fahavoazana tao amin’ity fianakaviana ity ny fahafatesana hafahafaha nahazo ny raim-pianakaviana.

Fianakaviana tsotsotra ry Mariette Rasoamanana. Mpanamboatra trano no asan’ny vadiny. Niaina tsara izy ireo nandritra ny fotoana naha teo an’io vadiny io. Tampoka anefa, tamin’ ny taona 2017 no tsy niverina intsony ny vadiny rehefa avy nanao asan’olona tany Faliarivo-Ampitatafika. Vatana mangatsika sisa no hitan’izy ireo.

“Andeha hanao siniben-dranon’ olona no nialany tato aminay tamin’io fotoana io. Mbola niresaka tamin’ny finday izy sy ny anabaviny ny harivan’ ny andro nahenoany azy velona farany. Nilaza ho an-dalana mody izy satria vao miala kely ny toerana niasany. Teo am-piresahana izy mianadahy no tapaka ny antso. Niezaka niverina niantso azy ny anabaviny saingy tsy nahazo intsony. Noheverina fa nahita taksibe angamba ny anadahiny tamin’izay. Indrisy anefa, tsy tafody velona intsony ny vadiko taorian’io”, hoy Rasoamanana Mariette mitantara ny zava-nitranga.

Ny ampitso, nisy nampandre izy ireo fa any amin’ny hopitaly Hjra ny vatana mangatsikan’ilay raim-pianakaviana. “Nandeha tany izahay nanamarina ka hita tokoa fa tao izy. Nahavariana, efa voadio tsara ny vatany. Tsy nahitana maloto na nisy rà ny akanjony fa nadio ihany koa. Ny zavatra tsikaritra dia toa no-tsihifina ny ràny. Hatramin’izay ka hatramin’izao, tsy fantatray izay tohin’ny famotorana nahafaty ny vadiko”, hoy ihany ity renim-pianakaviana.

Mivoaka sy miditra hopitaly

Nanomboka teo no niady irery i Mariette. Eo ny zanany vavy efa lehibe izay niasa nitady vola satria izy no voatery misolo ny toeran’ny rainy amin’ny fampandehanana ara-bola ny tokantrano. Tsy afaka miasa mantsy ny reniny noho ny fikarakarana azy roa lahy kambana zandriny. “Miasa aho dia mba mahavita ny sakafo kely hohaninay isan’andro sy hofan-trano ny vola azoko. Ny fandaniana rehetra ankoatr’izay dia tsy afa-manoatra mihitsy izahay sy mama”, hoy Andriatsitohaina Fandresena, ilay vavimatoa.
“ Tsy afaka manao na inona na inona tokoa izy roa lahy kambana. Hatramin’ ny fahakeliny no miantehitra amiko izy ireo. Omena sakafo, hampiakanjoana, ampifalifaliana, arahi-maso akaiky. Ireo rehetra ireo no tsy ahafahako miala eo akaikin’izy roa lahy. Ireny
kilalaon’ankizy mikorintsana ireny no mba tian’izy roa lahy. Na izany aza, mieritreritra vahaolana amin’izao zava-misy izao ihany aho sy ny zanako vavy”, hoy hatrany ilay renim- pianakaviana tsy mitanondrika fa miezaka mitraka.

Vao teraka izy roa lahy kambana dia tsy nisy ny olana fa toy ny zaza teraka rehetra, araka ny tantara. “Tao an-trano izy roa lahy no teraka. Mpampivelona no nampiteraka ahy tamin’izay. Teo amin’ny faha iray volany teo no nikohaka be ny iray. Tsy nety nijanona mihitsy io kohaka io ka voatery izahay niditra hopitaly nitsaboana azy. Iray volana tany amin’ ny hopitaly dia nivoaka ihany fa sitrana. Rehefa tonga taty an-trano kelikely dia niverina indray ilay kohaka dia nentina tany amin’ny hopitaly fitsaboana zaza indray.
Nasain’izy ireo niverina teny amin’ny hopitaly voalohany izahay. Tapa-bolana vao nivoaka”, hoy hatrany i Mariette Rasoamanana.

Ronono 7 000 ariary

Tamin’ny faha roa taonan’izy roa lahy teo no voalaza fa nanomboka tsikaritra ny tsy fahatomombanana. “Sady tsy nandady, tsy nibadabada mba hoe hiteny na mianatra mitsangana izy roa lahy. Nisy fitarafana natao tamin’ izy ireo. Taorian’izay, nilaza ny mpitsabo fa misy fahaterena ny karandohany ka mila fandidiana. Mbola tombatombana anefa io filazan’ny mpitsabo io ka ny niafarany dia tsy natao ny fandidiana fa fitsaboana nandritra ny herintaona tamin’ny fihinanana fanafody no natao tamin’ izy ireo. Vita ihany ny herintaona, tsy nisy fiovany ny fahasalaman’izy roa lahy. Ny taona no miha mandroso fa izy roa lahy kosa tsy hita hoe mitombo hatraiza”, araka ny filazan’ny renin’ ireto kambana.

Na teo aza izany rehetra izany, tsy nionona tamin’izao ny ray aman-dreny fa nikaroka ny mety mahasoa an’ireo zanany hatrany. “Nitady ny fomba hafa hitsaboana azy roa lahy izahay. Nentina tany amin’ny karazana mpitsabo sy mpanotra maro. Nisy aza nisoloky anay fotsiny no nataon’ireo nilaza hoe misy ronono mahasitrana azy ireo omena azy. Novidiana ilay ronono, fito arivo ariary ny litatra, saingy zava-poana tsy nisy vokany akory izany”, hoy indray ny anabavin’izy roa lahy.

Fitsaboana tena

Eo amin’ny fiainana isan’andro indray dia miezaka mijoro manao ny fomba rehetra hampandehanana ny fiainan’izy ireo i Mariette Rasoamanana. “Mikarakara azy roa lahy ireo no ataoko ato an-trano. Tsy misy minitra iray ka ahafahako miala ato. Na izany mankany afovoan-tanana izany aza tsy hitako efa an-taonany maro, kanefa dia eto an-drenivohitra izahay no monina. Baiko moana no ahafantarana ny zavatra tian’izy roa lahy atao. Tsy mahalala menatra izy ireo no sady tsy mahavita mikarakara tena”.

Mitovy avokoa ny isan’andro amin’ity fianakaviana ity. Tsy misy andro fety na andro manokana. “Tsy afa-manoatra izahay amin’ny
fandaniam-bola satria efa voakajy ny isan’andro arakaraka ny vola miditra. Noho izay antony izay dia mitovy daholo ny andro aminay tsy misy izany fety izany”, hoy Andriatsitohaina Fandresena.

Ankoatra izay, tsy salama ny iray amin’izy roa lahy amin’izao fotoana izao. Mandoa rà izy no sady tsy mety miala matory amin’ny tany. “Tsy afaka mitondra azy any amin’ny mpitsabo izahay noho ny antony ara-bola. Tsy maintsy manao fitsaboana izay vita ao an-trano”, hoy ny reniny.

Mitondra am-bavaka

Tsy mitovy amin’olona rehetra ihany koa ny sakafon’izy ireo. Sakafo malemy no tsy maintsy omena azy ireo na somary rony. Voalaza fa noho ny fahasimban’ny nifin’izy ireo ka tsy mahazaka mitsako no anton’izany. Ny mofomamy ihany koa anefa dia tsy tian’izy roa lahy mihitsy.Na teo aza ireo rehetra ireo, hafa ny fiainan’izy mianakavy fony fahavelon’ilay raim-pianakaviana.

“ Niezaka hatrany ny vadiko nitady sy nampitovy anay tamin’ny olona rehetra. Nifanaraka izahay mivady fa tsy mitady vola aho fa mikarakara azy roa lahy, rehefa nanana olana ireo ankizy ireo. Niova anefa ny fiainana ankehitriny. Nandao anay tampoka noho ny antony tsy fantatra ny vadiko. Niezaka foana izahay sy io zanako vavy io manarina ny fiainana na izany aza. Indrisy, tonga eo amin’ ny fotoana tsy azo hanoharana intsony izahay. Etoana no anaovana antso amin’izay olona afaka manampy anay. Raisinay am-pitiavana avokoa izay mety ho fanampiana, fa indrindra ny fitondrana am-bavaka an’izao lalan-tsarotra diavinay izao”, hoy ilay renim-pianakaviana.

Manantena ry zareo fa tsy maintsy mbola hisokatra ny fiainan’izy mianakavy na ho ela na ho haingana.
Ho an’izay maniry ny hifandray hanampy an’ity fianakaviana ity dia azo antsoina amin’ny laharana : 033 71 566 37 na 032 24 930 20 izy ireo.