Fanatanjahantena

Baolina kitra «Afaka miandry ny tapakilan’ny CAN 2021», hoy i Nicolas Dupuis

Isan’ireo nanaiky ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Kaonfe­derasiona afrikanan’ny taranja baolina kitra (CAF) i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barean’i Madaga­sikara, tamin’ny fampiatoana ny lalao fikatsahana tapakila amin’ny fiadiana ny ho tompon­dakan’i Afrika na ny CAN 2021.

“Zava-dehibe indrindra ny fananana vahoaka salama. Afaka miandry ny taranja baolina kitra sy ny fikatsahana tapakila”, hoy ity mpanazatra nasionaly malagasy ity, tao amin’ny tambajotra sosialy “Facebook”.

Tokony hihaona amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire indroa misesy ny Barean’i Madagasikara: lalao mandroso any Abidjan, amin’ny 27 marsa sy lalao miverina eto amintsika amin’ny 31 marsa. “Manana ny fandaharam-potoana efa nofaritany ny CAF tany am-piandohana. Manana ny hetahetany ihany koa anefa ireo firenena mandray anjara ka tsy azon’ity rafitra afrikanina ity atao tsinontsinona. Nijery mialoha izany ny fanjakana malagasy ka nandefa taratasy tany amin’izy ireo”, hoy hatrany i Nicolas Dupuis, tamin’ny lalao tenisy anaty efitrano na “Padel”, teny amin’ny Urban Futsal Andraharo, tamin’ny zoma lasa teo. Vao mainka nanamafy ny tsy maintsy nandrai­san’ny fanjakana malagasy sy ny CAF fanapahan-kevitra ny fisian’ireo olona mitondra ny tsimok’aretina Covid-19 any Côte d’Ivoire, ankehitriny.

“Mino aho fa miara-manaiky an’ireny fanapahan-kevitra ireny avokoa ny vahoaka sy ireo mpankafy baolina kitra. Amin’ny volana jona sy septambra farafahaelany dia afaka miverina indray amin’ny fankafizana baolina isika. Mino ihany aho fa mbola ao aorian’ny Barea ny rehetra mba hahazoantsika ny tapakilan’ny CAN. Andao aloha hifantoka amin’ny fiarahana miady amin’ny tsy hidiran’ ny Coronavirus eto Madagasikara isika rehetra ka hanambatra ny hery ”, hoy ity teknisiana frantsay ity.