Sosialy Tapatapany

Fampianarana ambony

Mitaky fandraisana fepetra avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony ireo sekoly ambony tsy miankina manara-dalàna, manoloana an’ireo tsy manara-dalàna. Nambaran’ny solontenan’izy ireo fa mihamaro ireo oniversite tsy miankina no mbola mijoro nefa tsy manara-dalàna hany ka very fotoana ireo mpianatra ao aminy na efa nianatra nandritra ny telo taona aza satria tsy eken’ny fanjakana ny mari-pahaizana havoakany.