Pejy manokana

Tantara sy lovan-tsofina Tanàna niandohan’ny ody varatra sy havandra Anosivato

Andrefan’ny tanimbarin’Ambohitrimanjaka no misy ny tendrombohitr’Anosivato izay toeram-ponenan dRandriamanjakatokana. Lehilahy voalohany nahita ny ody havandra sy varatra, tokony tany amin’ny taonjato fahadimy ambin’ny folo. Mitondra omby na gisa ny olona rehefa fotoana fanaovana sorona hatramin’ny ankehitriny. Tafiditra ao anatin’ny fameloma-maso ny tantaran’Antananarivo ny dia an-tongotra arahina fampahafantarana an’ireo vohitra lalovana, izay ataon’ny ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga.

Mizotra anaty alana voasary ny mpitsidika

Dia an-tongotra mandritra ny adiny telo sy telopolo minitra, mirefy 12,7 km, no tsy maintsy hizorana raha miala ny tanànan’i Soamanjaka, andrefan’ny tanànan’Alakamisy Fenoarivo, Antananarivo Atsimondrano ka hatreny amin’ny tanànan’Ambohitrimanjaka. Lalan-tany mirefy 6 km miala an’Alakamisy Fenoarivo no misy ny fokontanin’i Soamanjaka.
Tao amin’ity tanàna ity no nisy an-dRandriamanjakatokana, izay nahita ny ody varatra sy havandra noentina niaro ny tanimbary, tamin’ny taon-jato faha-15.

Ankoatra izay, mbola mampalaza an’ity tanàna ity ihany koa ny fisiana voasary, anamalao sy “haricot vert”. Feno voasary maniry ny ankamaroan’ny faritra iva manomboka eo Soamanjaka ka hatreny amin’ny am-pototry ny tendrombohitr’Anosivato. “Mihena ny vokatra voasary ao Ambohijafy raha mitaha amin’ny vokatra miainga avy eto Antanambao Soamanjaka noho ny fahanteran’ny zana-kazo. Efa tokony hamboly zana-kazo vaovao fa tsy mianona fotsiny tamin’ireo navelan’ny ray amandreny teo aloha”, hoy Rasamimanana Jhony, raim-pianakaviana, izay nanazava ny tsy fahafantaran’ny olona ny tena mpamokatra voasary, ato amin’ny faritra Analamanga.

Omby na gisa
Anamalao sy “haricot vert” ary anana isan-karazany no volen’ny tantsaha amin’ny ampahan-tany eny anelanelan’ny voasary. Manamboatra lava-drano akaikin’ny tany misy ny voasary sy ny voly anana ny tantsaha mba hanamorana ny fanondrahana. Ankoatr’ izay, mamerovero ny fofon’ny hazo ravintsara amin’ny faritra sasany.

Mitety tampon-tanety sy lohasaha ary miakatra tendrombohitra vao tonga ao amin’ ny tanànan-dRandriamanjakatokana. Vato be misolampy ny eo andrefan’ny tanànan’Anosivato. Randriamanjakatokana no lehilahy voalohany nahita ny ody havandra sy varatra, tany amin’ ny taonjato fahadimy ambin’ny folo. Ankehitriny, misy manohy izany talentan-dRandriamanjakatokana izany. Mitondra omby na gisa ny olona manatitra sorona ety. Tsy mety raha ny akoho no atao sorona noho ny vavany mitsaingoka fa tsy misosa fotsiny toy ny an’ny gisa rehefa misakafo raha ny fanazavan’ireo mpisera dia ao amin’ny ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga (Ortana).

Trano naorin-dRandriamanjakatokana hanasinany

Talenta tsy nampoizina
Raha fandatsahana orana no talentan’ny mpanjaka Andriamamilazabe I tao Rangaina dia fanaovana ody varatra sy havandra kosa ny an-dRandriamanjakatokana teny Anosivato, tetsy Atsimondrano. Tsy nianatra fa talenta tsy nampoizina no nahaizan-dRandriamanjaka tokana sy ny zanany lahy, nonina teo Ambohitrimanjaka, nanao ny ody. Nanorenany trano fanasinany eo an-tampon-tendrombohitr’Anosivato. Hiaro ny lemaky Betsimitatatra sy ny manodidina tsy hilatsahan’ny havandra sy varatra no nataon-dRandriamanjakatokana, tamin’izany fotoana izany. Vatolampy sy vato narafitra no fototry ny trano fanasinana.

An’hekitara maro ny lemak’i Betsimitatatra. Mandraka ankehitriny dia tsy nisy havandra na varatra nilatsaka teny an-tanimbarin’Ambohitrimanjaka na Ambohidrapeto sy ny manodidina. “Hatramin’ny nahatsiarovako saina, tsy mbola nisy fotoana nilatsahan’ny havandra na varatra izany ny tanimbarinay tety. Ny rano no mety hatahorana fa raha ny fahitako azy aloha mety ho tsara ny vokatra amin’ity taona ity”, hoy Rakotobe, manala ny ahi-dratsy teo an-tanimbariny.

Hambolena anamalao ny ampahan-tany sasany

Fijalian-drano
Ravinkazo maitso no tazan’ny maso nanomboka any Soamanjaka, distrikan’Alakamisy Fenoarivo, ka hatraty amin’ny tendrombohitr’Anosivato. Tsy nahitana doro tanety ny havoana na ny lemaka. Tapitra voavoly avokoa rehefa toerana malalaka.

Misedra olana ihany anefa ny fokontanin’Ambohinaorina sy Manankasina fa ritra ny lava-drano rehefa volana oktobra ka hatramin’ny desambra toy izao. “Natao hosotroina sy handrahoana sakafo fotsiny ny rano ao amin’ny lava-drano. Aty amin’ny renirano no maka rano hanasana lamba sy hanamboarana trano…. Tsy hita intsony ireo vato eo amin’ny barazy rehefa fotoam-pahavaratra. Somary kely ny fiavian’ny orana tamin’ity taona ity”, hoy Randrianasolo Benjamin, mandroaka saretin’omby misy sinibe. Manaporofo izany ny faharitran’ny rano eo amin’ny barazy.

Hadivory no manodidina ny tanànan’Ambohinaorina. Mizara roa ny lalana raha hivoaka ny tanàna avy aty atsinanana. Na hidina mankao anaty hadivory ka miditra amin’ny tonelina na hidina amin’ny tohatra somary mikisilasila raha hamonjy an’Ambohitrimanjaka.

Toerana tafiditra ao anatin’ny tetikasa Tanà-Masoandro