Kolontsaina

Hevitr’i Esther Randriamamonjy “Mila boky maneho ny zava-misy ankehitriny eny an-tsekoly”

Tsy mampiraika ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny intsony ny mikolokolo saina amin’ny alalan’ny boky. Ankoatra ny fahefa-mividy ambany, dia antony iray hafa mahatonga izany koa ny tsy fampiasana an’ireo boky voasoratra ankehitriny any an-tsekoly. “Saika ireo boky nosoratan’ny mpanoratra tany aloha no mbola ampiasain’ny mpianatra amin’izao fotoana izao”, hoy i Esther Randriamamonjy, mpanoratra sady akademisiana, tamin’ilay “Fihaonambe ho an’ny haisoratra” tetsy amin’ny Alliance française Andavamamba(AFT) tamin’ny sabotsy lasa teo.

Tao anatin’ny atrikasa natao no nizaran’i Esther Randriamamonjy ny traikefany tamin’ireo tanora marobe nanatrika ny fotoana. Nanoro hevitra sady nampahafantatra ny tontolon’ny fanoratana ihany koa izy. Nasaina manokana ka nanome voninahitra an’io fampiofanana io i Hoby Rasolofoarimasy, nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana “Prix littéraire des Alliances françaises ” farany teo.

Nohazavainy fa misy fiantraikany roa lehibe eo amin’ny tontolon’ny boky ny mbola ampiasan’ny mpianatra an’ireo boky voasoratra fahiny. Nambarany fa “tsy milaza na maneho intsony ny zava-misy tazan’ny maso sy ren’ny sofina ankehitriny ireny boky ireny. Zary miteraka faminavinana na nofinofy ho an’ny mpianatra na ho an’ny tanora sisa izany”. Tsy mahasarika ny tanora sy ny mpianatra hanana finiavana hamaky boky ny toy izany.

Fiantraikany lehibe
faharoa ny tsy fahafahan’ny mpanoratra tanora mivoatra. Na miezaka ny manoratra boky aza izy ireny dia tsy ampiasaina any an-tsekoly ny sanganasany. Fomba iray anisan’ ny haingana sy mahomby hivelaran’ ny asa soratra sy ny mpanoratra anefa izany.

Tsiahivina fa firenena nitana ny laharana voalohany taty Afrika tamin’ny famakiana boky i Madagasikara, talohan’ny taona 1975. Isika anefa no mitana ny laharana farany, efatra amby efapolo taona aty aoriana. Antony, tsy nomena lanja ny tontolon’ny boky ny Malagasy ka maro ny be diplaoma fa tsy ampy fahalalana.