Kolontsaina

Fiainana mpanakanto Resahin’i Tselonina ny momba azy sy ny toaka

Nahavariana ny maro ny fanambaràna navoakan’ingahibe Tselonina, tamin’ny 9 novambra lasa teo, tao anaty tambajotra sosialy. Tapa-kevitra ny hiala tanteraka amin’ny fandraisana zava-pisotro mahamamo ny lehilahy. Manazava ny antony izao fiovam-piaina izao izy. Tantarainy ny fahatsiarovana nanamarika azy tamin’ny fisotroana toaka. Ampahatsiahivin-draintse ato ihany kosa anefa ny niandohany teo amin’ny sehatry ny mozika.

Tsy vao indray mandeha no niezaka ny hiala amin’ny fisotroana toaka Ramanantselonina na i Tselonina. Hatramin’ny fahatanorany mantsy no efa tafalatsaka tao anatin’ny fandraisana zava-pisotro mahamamo ny lehilahy. “Mbola vao virijiny kely aho die efa nisotro”, araka ny filazany.

Iny fanambaràna nataony tamin’ny tambajotra sosialy, tamin’ny 9 novambra lasa teo iny no heveriny fa fifamatorana sy fanomezan-toky eo aminy sy ireo mpankafy. Ho sarotra aminy tokoa ny tsy hanatanteraka an’io toky efa nomeny io, araka ny filazany.

“Fanambaràna tena nataoko tamin’ny nahim-poko mihitsy iny. Tsy noho ny zava-misy eto amin’ny firenena na noho ny fampirisihan’ny olona iray akory. Tsapako fa tsy mety amiko intsony ny alikaola. Nisy fotoana aho nanao seho takariva nefa mamo. Nalahelo sy diso fanantenana tamiko ireo mpijery ahy tamin’izay satria tsy nahavita nitendry sy nihira akory aho. Izay no tena nahatonga ahy tapa-kevitra ny hijanona. Ilay fitiavako hanome fahafaham-po an’ ireo mpankafy ahy sy ny kanto ataoko no tena manan-danja”, hoy ny lehilahy.

Fanontaniana efa nipetraka teo am-bavan’ny maro ho an’izay nahita ny vaovao ihany koa ny hoe : mety ho lasa mpihira evanjelika ve izany i Tselonina. Nanamafy nefa ity mpivoy ny vazo miteny ity fa tsy hirona amin’izany ny tenany. « Tsy ny hira evanjelika no tsy tiako akory, fa tsy ao anatin’ny hira foroniko fotsiny izany », hoy izy.

Nahaliana an’i Tselonina ny famoronana miainga amin’ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina laroin’ireo fomba fiteny sy fomba filaza ao anatin’ny hatsikana. “ Tsy mahavita na inona na inona aho rehefa maraina, tamin’ny mbola nisotro toaka sy nivoaka alina. Fa nony tsy nisotro intsony aho ka makazo kafe amin’ny maraina dia mahavita manoratra kely ihany aorian’ny fakàna tsirony amin’ny sigara”, hoy izy mampahafantatra ny tontolon’ny aingam-panahiny.

Tsy hanova na inona na inona amin’ny famoronany hira ny fijanonany tsy hisotro. “Vao mainka aza hihatsara”, hoy izy. Nisy fotoana Raintse efa nitsahatra nandray zava-pisotro misy alikaola nandritra ny herintaona sy tapany, ka nahavita namoron-kira nipoaka be toa an-dry « Moly Be ». “Efa talenta ato anatiko ny famoronana”, hoy i Tselonina. Miketrika rakikira vaovao hanambarana ireo hirany izy, amin’izao fotoana izao.

Fisotroana tontolo andro

Niaina zavatra maro niaraka tamin’ny toaka i Tselonina tamin’ny fahatanorany. Betsaka ny zava-bitan’io zava-pisotro taminy, raha ny resany. Efa nandalovany ny fahafaham-baraka, teny maloto, tsy fanajana fiarahamonina… Tsy azo hadinoina koa ireo hira sy kanto nahitana taratra ny fankafizany ny alikaola. “Tsy ampy raha pejy maromaro no anehoana ny tantarako sy ny toaka. Nisy fotoana aho, taloha, nahavitra niaritra nisotro nandritra ny tontolo andro mihitsy. Indraindray tsy maharitra ny fiarahana. Miankina amin’ny namana mpamatsy sy “mpampirevy” ilay izy”, hoy izy sady toran’ny hehy.

Efa nitsahatra amin’ny fisotroana toaka i Tselonina ankehitriny, saingy tena nanamarika ireo hirany sasany ity zava-pisotro mahamamo ity, raha tsy hitanisa afa-tsy ny “Ndeha hody aho dieny tsy mamo”. “Tsy narary aho, na hoe tra-doza vokatry ny toaka, fa mahatsapa aho fa efa lany ny anjara toakako eto an-tany. Aleoko mijanona amin’izay”, hoy izy sady lanaky ny fihomehezana.
Nampiany hoe: “samy manana ny anjara toakany ny olona eto ambonin’ny tany ka efa ritra ny anjarako dia tsy te hangataka ny an-dry zalahy intsony aho.” Narahiny sangisangy zary tenany tamin’ny hoe “na i Jesosy tenany mihitsy aza no midina eto dia tsy handray zava-pisotro mahamamo ny bandy a!”. Ny sigara no tena sarotra amiko ny hisaraka aminy, araka ny nambarany.

Tany ambany lakaly

Teraka tamin’ny taona 1974 ny tarika Lota, izay nisy mpikambana telo mirahalahy nahitana an’i Tselonina sy Parany ary Yves. Mpiara-mianatra izy telo mirahalahy. Ny fihirana no tena iarahan-dry zalahy matetika. Zaza nandositra tany an-tranon-dray aman-dreniny i Yves. Niara- nipetraka tamin-dRaintse tany ambany lakaly, tetsy Manjakaray izy.

“Tena ambany lakaly io toerana io. Gitara iray ihany no tao anatiny”, hoy izy . I Parany kosa dia zanaka mpanan-karena. Izy no mpamatsy ny fitafiana, toy ny akanjo sy ny “boots” na kiraro nalaza tamin’ny fotoan’androny.

Antokon’ankizivavy telo kosa no mpamatsy sy mpanatitra sakafo azy telo mirahalahy. “Ankoatra ny sakafo, manatitra lamba firakotra ihany koa izy ireo. Vao lasa anefa ry zareo dia amidinay ny lamba mba hisotroana toaka”, hoy ihany i Tselonina mitantara.

Fitaingenan-tamboho

Nianatra teny amin’ny Lisea Gallieni i Tselonina sy ny namany. Lalana tsy maintsy nolalovany isan’andro ny tetsy Faravohitra, izay nahitana ireo andian-jatovo tsy mianatra fa mitaingina tamboho sy mihira mitendry gitara. “Tsy tafakatra teny Andohalo mihitsy aho fa tavela eo Faravohitra foana. Nitohy teny amin’ny sekoly San José ny fiarahanay sy i Parany. Lany tamin’ny fanaovana karatra ny tapak’andro maraina. Tany an-trano niaraka tamin’ny gitara ny hariva”, hoy izy.

Na teo aza ny fiainana tao anatin’ny fahatanorana dia tamin’io vanim-potoana io ihany koa no nahavitan-dry zareo namoaka kapila voalohany, 45 tours, tao amin’ny Discomad. “Taonina iraika” sy “Malaina ny hody” no hira tao anatin’io kapila io. “Nandeha be ny varotra kapila tamin’izany fotoana izany. Tsy mbola nisy rahateo ny mpanao hosoka. 12 000 Francs ny vola azonay tamin’izany”, araka ny fitantarany. Na nisy aza ny vokatra niarahana, dia vaky ihany ny tarika Lota. Lasa i Parany sy Yves.

“Nalefan’ny ray aman-dreniny tany ivelany izy roa lahy”, hoy i Tselonina nahatsiaro. Nandeha irery Raintse nanomboka teo. Ireo mpikambana ao amin’ny tarika Lôlô sy ny tariny no nanaraka azy tamin’ny hira sy fampisehoana nataony. Nanangana ny tarika Tselonina kosa izy tamin’ny taona 80, izay nahitana an’i Mireille, andriambavilanitra mpihira nalaza tamin’ ilay hira “Aiza izy izay”.
Nandray anjara tamina fampisehoana tany Alemana izy ireo tamin’ny taona 1982. Na dia nanana ny lazany aza ny tarika Tselonina dia rava ihany taty aorina. Niaiky ity mpanakanto ity fa nisy tsy fahaizana nizara vola teo aminy sy ireo namany.

Lalao fa tsy loka

Tany amin’ny fahatanorana no nifanojo tamin’ny vady andefimandriny, izay nahazoany zanaka telo vavy sy zafikely dimy, Raintse. “Nisy ireo tovovavy iray kilasy tamin’i Parany sy Yves tamin’ny mbola nisian’ny tarika Lota. Nentin-dry zalahy tany amiko ka nasainy nisafidy aho afa-tsy ny roa vavy ihany, izay efa azy mirahalahy. Sipa hafa no jerena fa ny masoko tsy milaza ny marina dia ny hafa no nanatona, izay lasa vadiko ankehitriny”, hoy ny fitantarany. Mandia ny fahenina amby enimpolo taonany ny lehilahy, ankehitriny.

Ankoatra ny fandrahoana sakafo ho azy mianakavy, dia anisan’ny andanian’i Tselonina ny androny ny fandehanana any amin’ireo trano filalaovana. “Tsy miloka aho fa milalao. Samy manana ny itondrany azy ny tsirairay. Misy ny adala ka ny karamany iray manontolo no hoentiny any”, araka ny fanamarihany. Ny “machine à sous “ sy ny “roulette” ary ny “Pmu”no tena ankafiziny. Nisy fotoana nahazoany loka lehibe tamin’ireo karazan-dalao ireo.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’i Tselonina ihany ny fandehanana miantsena isa-maraina. Liana amina sakafo vaovao ny lehilahy ka anisan’ny mampavitrika azy ny mahandro sy mihinana ireo karazana hazandrano, na an-dranomasina sy an-dranomamy. Tsy maintsy ahitana rony hatrany ny sakafon-dRaintse mianakavy. Tsy ho ao anatin’ny fandaharam-potoanany intsony kosa izany ilay “rony” mahamamo…