Raharaham-pirenena

Boriborintany voalohany Nidina teny Isotry sy Ampefiloha ny kandidà Andriantsitohaina Naina

Fokontany miisa telo, dia Ampefiloha, Manarintsoa Atsinanana ary Isotry, ao amin’ny Boriborintany voalohany indray no notsidihin’ny kandidà, Andriantsitohaina Naina, omaly. Nisongadina nandritra ny fihaonan’ny kandidà laharana fahaefatra ao anatin’ny biletà tokana hoampiasaina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna, hatao amin’ny 27 novambra ho avy izao tamin’ireo mponina teny an-toerana ny fahasahiranana vokatry ny tondra-drano, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao.

Efa tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny kandidà Andriantsitohaina Naina rahateo ny fanadiovana an’ireo lakandrano mano­- di­dina an’ireto fokontany ireto. Eo ihany koa ny fanavaozana an’ireo sekoly, ny fanasan-damba, ny fampi­tomboana an’ireo paom­- pin-drano… Mbola hitohy hatrany ny fihainoan’ny kandidà toha­nan’ny vondrona politika miara-dia amin’i Andry Rajoelina.