Fanatanjahantena

Baolina kitra maneran-tany Namoaka an’ireo fandaharan-dalaon’ ny Mondial 2022 ny FIFA

Lalao efatra isan’andro isam-bondrona no voafaritry ny Federasiona iraisam-pirenena amin’ny baolina kitra na FIFA momba ny fandaharampotoana amin’ny dingana famaranan’ny fiadiana ny amboara eran-tany na Mondial hatao any Qatar, amin’ny 21 novambra hatramin’ny 18 desambra 2022. Omaly no namoahan’ny FIFA an’ireo fandaharan-dalao rehetra.

Hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro (ora eto Madagasikara) ny lalao voalohany, raha amin’ny 4 ora ny faharoa, ary amin’ny 7 ora hariva sy amin’ny 10 ora alina ireo lalao roa farany mandritra ny lalaom-bondrona.  Amin’ny 6 ora hariva sy amin’ny 10 ora alina kosa ireo dingan’ny famaranana, manomboka eo amin’ny dingan’ny ampahavalondalana, raha amin’ny 6 ora hariva ny lalao famaranana.

Hotontosaina, amin’ny 1 ora tolakandro, ao amin’ny kianja Al Bayt ny lanonampanokafan’io fifaninanana maneran-tanin’ny baolina kitra io, amin’ny 21 novambra 2022. Ao amin’ny kianjan’i Usail kosa no hanaovana ny lalao famaranana, amin’ny 18 desambra 2022.

Kianja roa ambin’ny folo no handraisan’i Qatar an’ireo lalao rehetra amin’io andiany faha-22 amin’ny Mondial io, miaraka amin’ireo firenena roa amby telopolo mpandray anjara. Amin’ny volana marsa 2022 no hanaovana ny antsapaka amin’ny fizaràmbondrona valo.

Antsapaka

Isan’ireo firenena hikatsaka ny tapakilan’izao dingan’ ny famaranana izao ny Barean’i Madagasikara. Miray vondrona J amintsika ny RD Congo, Benin ary Tanzania, taorian’ny antsapaka novitaina tany Le Caire (Ejipta). Ireo ekipa folo mitana ny laharana voalohany isam-bondrona no miatrika ny lalao sakana mandroso sy miverina, ary ireo dimy tafavoaka no hisolo tena ny Kaontinanta Afrikana amin’ny Mondial 2022.

Na dia efa voafaritra tamin’ io antsapaka io aza ny fandaharam-potoana dia nokorontanin’ny valanaretina Covid-19 izany. Andrasana ny fandaharan-dalao vaovao avoakan’ ny kaonfederasiona CAF.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra