Tranga samihafa

Voina teny iavoloha Ankizilahy 15 taona voafaokan’ny fiara

Maty tsy tra-drano ny ankizilahy iray, 15 taona, voafaokan’ny fiara marika «  Mercedes Sprinter », teny Iavoloha, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Voadona teny am-pandehanana an-tongotra io ankizilahy io, araka ny loharanom-baovao. Notazonin’ ny zandary eny Andoharanofotsy ny mpamily ny fiara.

Tsy fantatra ny antony nahatonga an’ity loza ity. « Ao anatin’ ny famotorana tanteraka izahay, amin’izao fotoana izao. Tsy mbola fantatra na avy amin’ny fandehanan’ny fiara mafy na avy amin’ny mpandeha an-tongotra no niteraka ny loza », hoy fotsiny ireo zandary eny Andoharanofotsy.