Sosialy Tapatapany

Toetrandro

Mihamahazo vahana manerana ny Nosy ny Varatraza na ny tsioka Alizay, amin’ity herinandro ity, araka ny fampahafantaran’ny sampana mpamantatra ny toetrandro. Hiakatra ny mari-pana ambany amin’ny roa andro manaraka raha toa ka hidina hatrany ny mari-pana ambony, ao anatin’ny telo andro ho avy. Ho mafy kosa ny fitsokan’ny rivotra rahampitso sy amin’ny alakamisy ho avy izao saika manerana an’i Madagasikara.