Raharaham-pirenena

Krizy ara-toekarena Maherin’ny arivo ireo orinasa nikatona

Orinasa manodidina ny arivo mahery no nikatona tao anatin’ny telo volana nampiharana ny fahamehana ara-pahasalamana teto Madagasikara. “Ny 20%-n’ireo orinasa mpikambana ato aminay no nikatona, noho ny tsy fisian’ny tsena”, hoy Razafiarison Adrianavalomanana, filohan’ny fikambanan’ireo mpandraharaha malagasy (FIVPAMA), raha naneho hevitra tao amin’ny onjam-peon’ny Radio Antsiva, omaly.

Miandry fatratra ny fihaonana amin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, rahampitso, ireo vondrona mpandraharaha, sady nandroso hevitra sahady amin’ny tokony hananganana vaomiera ara-teknika hifandinihina ny fifanaraham-piarahamiasa amin’ny fanjakana mba hiatrehana ny krizy ara-toekarena eto amintsika. Mahavelom-bolo, hoy ny filohan’ny FIVPAMA ny fahavononan’ny Filoha hifampidinika momba an’ireo olana sedrain’ireo orinasa ankehitriny ary indrindra ny fanampiana ho an’ny mpandraharaha.