Sosialy

Fitaterana Miverina miasa ny taksiborosy any amin’ny faritra hafa

Afaka mivezivezy malalaka sy miverina mitatitra olona ny taksiborosy any amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy ankoatra an’ireo ahitana trangana valanaretina, araka ny nambarandRazafimahefa Tianarivelo, minisitry ny Atitany sady filohan’ ny Ivon-toeram-pibaikoana momba ny Covid-19 (CCO) Ivato, omaly. Tsy azo idirana sy ivoahana ary andalovana kosa ny eto Analamanga sy any amin’ny distrikan’i Moramanga, Toamasina I sy II ary Fenoarivo Atsinanana. «

Tsy mila fahazoan-dalana manokana intsony ny fivezivezen’ ny fiara fitaterana any amin’ny faritra hafa. Tsy maintsy arahina kosa ny fepetra ara-pahasalamana », araka ny fanampimpanazavany