Tranga samihafa

Fitaterana an-tsokosoko Nogadraina ilay mpamily kamiao tratra nitondra olona

Samy naiditra am-ponja vonjimaika ny mpamily sy ny mpamily mpanampin’ny kamiao iray mpitondra entana rehefa tratra nitatitra olona an-tsokosoko nandritra ny fisavana nataon’ny polisy nanao sakana teny Imerintsiatosika, tamin’ny herinandro lasa teo.

Naseho natao vavolombelona teny amin’ny Fampanoavana ihany koa ireo olona iraika ambin’ny folo saika notaterin’ity fiarabe ity an-tsokosoko hiakatra taty an-drenivohitra.

Mipetraka any Imerintsiatosika ireo olona iraika ambin’ny folo ireo no hita tao anatin’ilay fiarabe mpitondra vokatra. Nafenina tao aoriana niaraka tamin’ny gony nisy entana no nahatraran’ny polisy azy ireo. Nentina natao famotorana iretsy mpandeha sy ny mpamily ary ny mpamily mpanampy. Nampidirina vala famonjana kosa ny fiara. Tonga hatreny amin’ny Fitsarana ny raharaha ka niafara tamin’izao famonjana vonjimaika izao.