Tapatapany Tranga samihafa

Fifandonana fiara

Nifandona teny Ambodimita ny kamiao sy fiarakely iray, omaly tolakandro. Tsy nisy ny olona naratra na namoy ny ainy. Samy nahitana fahasimbana kosa ireo fiara roa. Tsy fitandremana teo amin’ny mpamily roa tonta no heverina ho nahatonga ny fifandonana.