Raharaham-pirenena

Fandikan-dalàna Solombavambahoaka dimy arahi-maso

Ady amin’ny tsimatimanota. Na eo aza ny fananan’ireo solombavambahoaka ny zo tsy azo enjehina dia eo ambanin’ny lalàna, tahaka ny olom-pirenena rehetra, ireto olomboafidy ireto. Parlemantera dimy eo anivon’ny Antenimieram-pirenena no arahin’ ny fahefana mpanatanteraka maso, amin’izao fotoana izao, noho ny raharaha samihafa, toy ny famotsiana omby halatra, fivarotana antsokosoko harena voajanahary, fanaovana trafikana fitaovam-piadiana miaraka amin’ny Sinoa, famonoana ho faty olona mivantana amin’ny alalan’ny fitsarambahoaka…

Anisan’ny raharaha iray mivoatra, ankehitriny, ny fitoriana napetraky ny Ben’ny tanànan’i Betroka tamin’ny solombavambahoaka iray any Atsimo, momba ny famotsiana omby halatra miisa efatra amby enimpolo, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Mandeha ny famotorana ataon’ny Foibem-paritra misahana ny fandikan-keloky ny zandarimaria eny amin’ny Toby Ratsimandrava.

Fantatra fa efa nampahafantarina an’ireo tranga hafa izay mahavoasaringotra solombavambahoaka vitsivitsy avokoa ny mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny Praiminisitra ary ny Filohan’ny Repoblika.