Sosialy

Tsy fandriampahalemana Mafana amin’ny asan-jiolahy hatrany ny tetezan’i Bekiraro

Misedra olana amin’ny tsy fandriampahalemana foana ny eny amin’ny fokontany Avaratetezana Bekiraro. Tsy azo lalovana hariva amin’iny faritra iny noho ny afitsok’ireo mpanendaka. “Tsy mijanona fotsiny amin’izao anefa izahay fa miara-miasa akaiky amin’ny Kaomisarian’ny polisin’ny boriborintany fahefatra. Efa misy ny ezaka natao amin’ny fametrahana vavahady isaky ny elankelan-trano sy fampiasana vaomieran’ny fandriam- pahalemana”, hoy ny filohan’ny fokontanin’Avaratetezana Bekiraro, Ravonjiarisoa Cousin Yvonne.

Nomen’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy vary dimy kilao isan’olona ny fianakaviana sahirana tao amin’ity fokontany ity nandritra ny fanamarihana ny andron’ny Fianakaviana, omaly. Notsongaina fianakaviana tena marefo, toy ireo mpanasa lamba sy manana fahasembanana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra