Bao tsy mivily Raharaham-pirenena

Sao diso maika, ho diso paika

Mba samy manonofy ny amin’izay tiany hatao rahatrizay ho tafavoaka amin’ny fianarana avokoa ny zaza mpianatra rehetra efa hary saina sy maha- takatakatra. Vitsy no tody any amin’ny farany. Maromaro no tavela eny antenantenany, ary betsaka no tsy tafadingana amin’ny ambaratonga fototra akory. Mavesatra loatra ny adim-piainan’ny isan-tokantrano manerana ny Nosy, hany ka ala henatra na fitia tsy te ho voafosa fotsiny no ampidiran’ny ray aman-dreny sasany an’ireo zanany any an-tsekoly.

Misy ihany ny iharan’ny fanerena, fa amin’ny ankapobeny, saika kely finoana amin’ny hahatongavan’ ireo menaky ny ainy any amin’ny tanjona aorian’ny fandrantoana fahalalana eny amin’ny ambaratonga ambony ny ankamaroan’ny ray sy reny. Ilaina ny mahay ny abidy mikasika ny faharefoan’ny fanabe- azana eto amintsika, miainga any amin’ny garabola hatreny amin’ny ambaratonga ambony. Tsy hiresaka ny fiainana ankapobeny isika, fa manatsidika ny fotodrafitrasam-pampianarana fotsiny; ny kojakoja an-dakilasy; ny fitaovam-pianarana; ny faharisihan’ny mpanabe; ny kalitaon’ny fanabeazana; ny gidragidra amin’ny tambin-karaman’ireo mpampianatra… dia samy hiaiky fa mila mandeha isaky ny zana-tohatra miainga any amin’ny fototra mihitsy io fanavaozana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara io. Iza no tsy liam-pivoarana, saingy mbola fiainam-pahagolan-tany loatra no fantatry ny ankamaroan’ny faritra eto amintsika, hany ka ahiana hitanila foana ny vokatry ny fandrosoana tian-kapetraka amin’ny sehatra samihafa, ka isan’izany ny fanabeazana.

Raha hanontany izao isika hoe: ho literera sa siantifika sa handalina toekarena… ireo mpianatra 12-17 taona, izay hiditra amin’ny Taona fahasivy, dia mbola ankizy an’arivorivony no sadaikatra hamaly noho ny antony maro samihafa ? Tsotra anefa ny fanontaniana, saingy sarotra ny valiny. Toy izany ny adisanina amin’ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Tsy ny hevitra akory no ratsy, tahaka ny tamin’ny fikasana hampahomby ny “Fanagasiana” ihany, fa ny mahay mamaritra ny tena ilaina sy ny laharam- pahamehana no zava-dehibe. Hoy ny ohabolana Antanosy izay hoe: “ aleo mitekoteko ho avy toy izay mamokopoko ho folaka”. Sao injato kely hanova eo indray, dia ny zanaka amam-para ihany no ho lasa sorona tsy fidiny. Fa ny soa, hono, mampiadana e !