Raharaham-pirenena Tapatapany

Masoivoho vaovao

Masoivoho vahiny miisa roa no nanatitra ny dika mitovin’ny taratasy manendry azy ireo hiasa eto Madagasikara tamin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny Iavoloha, omaly. Nisantatra izany ny Ambasadaoro vaovao an’i Inde, Abhay Komar, avy eo ny Ambasadaoron’i Pôlôna, Jacek Bazanski. Samy naneho ny finiavana amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny firenentsika ireo solontena vahiny roa ireo.