Tapatapany Tranga samihafa

Kamiao nahafaty vehivavy

Naiditra am-ponja vonjimaika ny mpamily nitondra an’ilay kamiao nahadona nahafaty vehivavy iray teny Andralanitra, tamin’ ny alin’ny zoma lasa teo. Kamiaon’ny Samva, mpanary fako, io nanao loza io. Maty tsy tra-drano voahitsaka ilay vehivavy, rehefa nihemotra tao amin’ilay fitoeram-pako midadasika ity kamiaon’ny Samva ity. Tsy nisy nanampo ny loza na ireo mpiasa mpandroaka fako, na ny mpamily.