Tapatapany Zavakanto

Horonan-tsary

Alefa etsy amin’ny Ivon-toeran’ny kolontsaina (IKM) Antsahavola rahampitso 17 mey ilay horona-tsary « Quand les étoiles rencontrent la mer », izay notontosain’i Raymond Rajaonarivelo. Hanomboka amin’ny 2 ora folakandro izany. Aorian’izay dia hisy ny resadresaka hifanaovana aminy sy sasany tamin’ny mpilalao. Hosokafana amin’ny fomba ofisialy mandritra io fotoana ihany koa ny klioba sinema an’ny IKM.