Tapatapany Tranga samihafa

Fisolokiana

Voarohirohy amin’ny fisolokiana varotra tany ny olona valo voasambotry ny zandary eny Ambohimangakely, andro vitsy lasa izay. Misoloky mivarotra tanin’olona teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny ireo olona ireo. Ny tena tompon’ny tany no nahatratra azy ireo voalohany ka nampandre ny mpitandro filaminana. Nisy ny fanadihadiana natao, ka niafara tamin’izao fisamborana olona izao.