Sosialy Tapatapany

Fanerena ny fiahiana ara-tsosialy

Mampahafantatra mikasika ny tsy maintsy fampidirana ny mpiasa amin’ny sehatry ny fiahiana ara-tsosialy ny ekipan’ny minisiteran’ny Asa. Voaresaka ireo fehezan-dalàna mifehy ny asa izay mamaritra ny fisian’ny sazy hihatra amin’ny mpampiasa raha toa ka efa vita ireo fanentanana nataon’ny Tahirim-pirenena ho an’ ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) kanefa tsy mbola voasoratra ihany ny mpiasa ao amin’ny orinasa iray. Sazy ara-bola hatramin’ ny fampidirana am-ponja no voalazan’io lalàna io.