Tranga samihafa

Fandrobana tao Tanambe Vinany Hosavaina kara-panondro ireo hiditra amin’ny sehatra ho an’ny lehibe

Malaza indray ny famoahana omby an-tsokosoko ao amin’ny kaominina ambanivohitra Vinany, distrikan’i Mandoto. Tao anatin’izay roa herinandro farany izay dia fianakaviana efatra no lasibatra. Tsy misy mahare ny amahan’ireo jiolahy ny vala sy androahany ny omby ireo lasibatra fa efa maraina hamoaka biby fiompy na hanao fisafoana antenantenan’ny alina vao mahatsikaritra ny zava-misy. Ny fianakaviana iray lasibatra ny alin’ny alatsinainy lasa teo no nilaza ho naheno ny fivoahan’ny omby saingy tsy sahy namoha trano noho ny tahotra. Vao dify ireo olon-dratsy no niantso ny mpiara-monina izy ireo sady niroso tamin’ny fanarahan-dia. Tsy nahitam-bokany anefa izany nandritra ny tontolo andro.

Raha ny filazan’ireo mpanara-dia, dia lalana iray hatrany no nisy ny dian’ireo omby folo very tao anatin’izay roa herinandro izay saingy rehefa avy manaraka ny morondrano amin’ny tapany atsimon’i Mandoto dia very hatrany ny dian’omby .