Sosialy

Fanakatonana tsena Vary simba tratra tetsy Anosibe

Tsena iray eny Anosibe no nakaton’ny minisiteran’ny Varotra sy ny indostria ary ny asa tanana (Mica), afak’omaly, noho ny fitazonana vary simba. Mbola nahitana vary simba telopolo kitapo amin’ny lanja dimampolo kilao tao amin’ity tsena ity.

Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny Mica dia teny amin’ny fitoeran’entan’ny Akanin’i Père Pedro no nahitana vary simba efapolo kitapo amin’ny 50kg sy 35 kg. Voalaza ho vary tamina mpivarotra iray teny Anosibe ireo entana ka taorian’ny fanadihadiana no nahasaronana ny teny Anosibe. Nampanantsoina eny amin’ny minisitera ny tompon’ny toerana mba hanaovana fanadihadiana.