Tranga samihafa

Fanafihana an-dalambe Rangahy nitondra volabe maty voatifitra teny ambony môtô

Fanafihana teny an-dalana. Maty tsy tra-drano voatifitra ny lehilahy iray, telopolo taona, nandeha môtô teny amin’ny lalam-pirenena
fahefatra, tany Manakambahiny Ambohidratrimo, omaly antoandro. Voaroba ny vola telopolo tapitrisa ariary teny aminy. Andian-dehilahy nitondra môtô avy tao aoriany no nitifitra azy.

Mpiasa amin’ny tobin-tsolika iray eny Ambohidratrimo ity voatafika teny an-dalana ity. Fantatra fa nandeha irery nikasa hanatitra vola amin’ ny banky any Mahitsy izy, tamin’io antoandro io no izao niharam-panafihana izao.

Nisy nanaraka

Noentiny niaraka taminy teny ambony môtô « scooter » ny vola telopolo tapitrisa ariary saika haterina. Tombanana ho efa nanaraka an’io lehilahy io avy any amin’ny toerana niaingany ireo olon-dratsy miisa telo nandeha “moto cross”.

«Voatifitra ilay mpiasan’ ny tobin-tsolika ka nianjera avy teny ambony môtô. Mora tamin’ireo mpanafika avy eo ny naka ny vola teny aminy. Bala teo amin’ny feny sy teo amin’ny lohany no nitarika ny fahafatesany teo no ho eo. Basy poleta no nampiasain’ireo jiolahy», hoy ny zandary misahana ny fanadihadiana amin’ity tranga ity.

Samy tonga teny an-toerana sy nijery ny zava-nisy haingana ny zandary avy eny Ambohidratrimo sy Mahitsy. Natao ny sakana teny amin’ny arabe sy ny fitsirihana ny sakelidalana rehetra mety handosiran’ireo jiolahy. Tsy nahitam-bokany izany hatramin’ny omaly hariva. Misokatra ny fanadihadiana ary mitohy ny fikarohana an’ireo mpanafika.

Namela manano tena sy kamboty telo ilay lehilahy maty voatifitra.