Tranga samihafa

Fahitana razana Fatin-dehilahy iray nitsingevana tao amin’ny farihin’i Masay

Manodidina ny efapolo taona ity lehilahy hita faty nitsingevana, tetsy amin’ny ranon’ny farihy Masay, omaly antoandro. Teo afovoan-drano no nahitana ny razana. Tonga teny an-toerana ny avy amin’ny sampana mpamonjy voina nampiakatra izany teo an-tanety. Milaza ho tsy mahafantatra an’ity lehilahy namoy ny ainy ity ny olona nitangorona nijery, teny an-toerana. Tsy nahitana taratasy milaza ny mombamomba azy ihany koa teny aminy. Ny valin’ny fizahana nataon’ny sampana mpamonjy voina no nahafantarana fa: « efa ho roa andro na telo andro no nahafatesan’io lehilahy io. Tsy maty an-drano anefa izy. Tsy nibontsina ny vatany».

Natolotra ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fokontany ny razana, mialoha ny nanaterana azy teny amin’ny tranom-paty sy ny fizahana ataon’ny mpitandro filaminana.