Samihafa

Fahafatesana telo mianaka Efa-dahy mpanao trano voatazon’ny polisy

Lehilahy efatra no tazomin’ny polisy, any Toamasina, noho ny raharaha fahafatesana olona telo mianaka, teratany frantsay sy ny vadiny malagasy ary ankizilahy, fito taona, tany Vohitsara Toamasina, andro vitsy lasa izay. Niasa nanamboatra ny tranon’ireo niharam-boina izy efa-dahy ireo.

Mitohy ny famotorana ataon’ny mpanao fanadihadiana. Mbola karohina kosa ny mpiambina ny tanànan’ireo namoy ny ainy. Manomboka fantatra ny endrikendriky ny voina nahazo an’ireto fianakaviana kely, tany Vohitsara Toamasina ireto. Voatafika tao an-trano izy telo mianaka. Tombanana ho teny amin’ny tafontrano no nidiran’ireo olon-dratsy. Nisy ny entana voaroba ary notaperina ny ain’izy telo mianaka. Fofona ratsy no nanaitra ny mpiara-monina, tamin’ny alahady lasa teo ka nahitana ny fatin’izy telo mianaka.