Fanatanjahantena

Basket-ball « SMATCH-IN XXL «  Hatao anio ireo lalao ampahavalon- dalan’ny sokajy lehilahy

Hotanterahina anio eny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny dingana ampahavalon-dalan’ny fifaninanana basket-ball handraisan’ireo mpianatra eny amin’ny sekoly ambaratonga ambony anjara.

Tafakatra eo amin’ny sokajy lehilahy ny Esmia, izay hifandona amin’ny IT-U. Ny mpilalaon’ny Escame sy ny Ispm no hisantatra ny ampahavalon-dalana mialoha ny fihaonan’ny Degs sy Accem. Fandaharan-dalao ny tolankandro kosa ny lalaon’ny UCM sy ny E-Média. Ho arahin’ny fifandonan’ny Inscae sy ny MBS, ary ao amin’ny efitrano kely no hihaonan’ny Médecine sy ny FLSH.

Hiatrika ny Uprim indray ny Asja.

Ho an’ny sokajy vehivavy kosa dia ampahefa-dalana avy hatrany no hatao rahampitso. Hihaona amin’ny Essca ny Cntemad, ho arahin’ny Espa sy ny Lettres, ary ny ENS sy ny Inscae. Ny lalaon’ny Degs sy ny UCM no fahefatra amin’ireo lalao ampahefa-dalana amin’ity fifaninanana ity.

Sendra R.